Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-4

9 Tongàva faingana aty amiko hianao; fa nilaozan'i Demasy aho, noho ny fitiavany an'izao tontolo izao, ka lasa nankany Tesalonìka izy.

10 Kresensy lasa nankany Galatia, ary Tito any Dalmatia. 11 Lioka irery no eto amiko, ka alao Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin'ny raharaha izy. 12 Tisiko dia nirahiko ho any Efezy. 13 Ento kely ilay kapaoty navelako tany Troasy ao amin'i Karposa rahefa mankaty hianao, ary ny boky koa, fa indrindra ny taratasy hoditra. 14 Be loatra ny ratsy nafitsok'i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany. 15 Ary hianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay. 16 Tsy nisy nanampy ahy tamin'ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan'izy rehetra aho; enga ka tsy hotanana ho helony izany!

17 Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan'ny jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan'ny liona aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1525